plt_tn/1ti/01/12.md

1.8 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

I Paoly dia milaza ny fomba niasany taloha ary nankahery an'i Timoty mba hahatoky an'Andriamanitra.

Isaorako

"Feno fankasitrahana aho"

nataony mahatoky aho

"nihevitra ahy ho azo itokisana izy" na "nihevitra ahy ho azo atokisana"

ary nanendry ahy ho amin'ny fanompoana Izy

I Paoly dia miresaka momba ny asa fanompoana an'Andriamanitra tahaka ny hoe toerana izay tsy misy olona afaka mipetraka amin'izany. DH: " notendreny aho hanompo azy" na "nanondro ahy toy ny mpanompony izy"

Izaho dia mpiteny ratsy

"milaza ratsy manohitra an'i Kristy aho". I Paoly dia manambara ny fotoana talohan'ny naha-Kristiana azy.

mpanenjika

"manenjika ireo izay nino an'i Kristy aho"

lehilahy mahery setra

"Ratsy fanahy tamin'ny olona hafa aho." Olona iray izay mino fa manan-jo handratra ny hafa izany.

Kanefa nahazo famindram-po aho satria tamin'ny tsy fahalalana no nanaovako izany noho ny tsy finoana

"Kanefa satria tsy nino an'i Jesosy aho, ary tsy nahalala izay nataoko aho, nahazo famindram-po avy amin'i Jesosy"

nahazo famindram-po

"Jesosy nampiseho famindram-po tamiko" na "Namindra fo tamiko i jesosy"

Fa ny fahasoavan'

"ary ny fahasoavana"

ny fahasoavan'ny Tompontsika no nandrakotra

I Paoly dia miresaka momba ny fahasoavan'Andriamanitra tahaka ny hoe rano izay mahafeno daba ary manary any amin'ny tampony rehefa feno ilay daba. DH: "Andriamanitra nampiseho fahasoavana be"

tamin'ny finoana sy fitiavana

Izany dia vokatry ny fampisehoan'Andriamanitra fahasoavana be an'i Paoly. DH: "izay nahatonga azy hahatoky an'i Jesosy ary hitia azy"

izay ao amin'i Kristy Jesosy

I Paoly dia miresaka momba an'i Jesosy tahaka ny oe daba izay mihazona rano. Eto "I Kristy Jesosy" manambara ny fananana fifandraisana miaraka amin'i Jesosy. DH: Fa i Kristy Jesosy dia namela ahy hanome an'Andriamanitra satria miombona aminy aho"