plt_tn/1th/03/08.md

1.0 KiB

Velona izahay

Izany dia fomba fiteny iray entina anehoana ny fiainana mahafa-po. DH: "tena mampahery anay."

Raha mifikitra mafy amin'ny Tompo ianareo.

"Raha mifikitra" dia fomba fiteny izay midika fa manohy mahatoky. DH: "raha mbola mitoky amin'ny Tompo ianareo."

Fa fisaorana toy ny ahoana no azonay omena an'Andriamanitra ny aminareo, tamin'ny fifaliana rehetra izay anananay teo anatrehan'ny Andriamanitray noho ny aminareo?

Izany fanontaniana izany dia azo lazaina ho fanambarana. DH: "Tsy afaka ny tsy hisaotra an'Andriamanitra izahay noho ny zavatra nataony ho anao! Faly tokoa izahay rehefa mivavaka amin'ny Andriamanitray!"

Teo anatrehan'ny Andriamanitray

Paoly dia milaza fa izy sy ireo namany dia toy ny hoe teo anatrehan'Andriamanitra mivantana. Angamba rehefa mivavaka no tiany lazaina amin'izany.

Andro aman'alina

Eto dia ampiasaina ny fanitarana hanehoana hoe impiry i Paoly no mivavaka. DH: "Matetika."

Mafy

"Tena mafy."

Ahita ny endrikareo

Ny teny hoe "endrika" dia manondro ny olona iray manontolo. DH: "mitsidika anareo."