plt_tn/1th/03/08.md

28 lines
1.0 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Velona izahay
Izany dia fomba fiteny iray entina anehoana ny fiainana mahafa-po. DH: "tena mampahery anay."
# Raha mifikitra mafy amin'ny Tompo ianareo.
"Raha mifikitra" dia fomba fiteny izay midika fa manohy mahatoky. DH: "raha mbola mitoky amin'ny Tompo ianareo."
# Fa fisaorana toy ny ahoana no azonay omena an'Andriamanitra ny aminareo, tamin'ny fifaliana rehetra izay anananay teo anatrehan'ny Andriamanitray noho ny aminareo?
Izany fanontaniana izany dia azo lazaina ho fanambarana. DH: "Tsy afaka ny tsy hisaotra an'Andriamanitra izahay noho ny zavatra nataony ho anao! Faly tokoa izahay rehefa mivavaka amin'ny Andriamanitray!"
# Teo anatrehan'ny Andriamanitray
Paoly dia milaza fa izy sy ireo namany dia toy ny hoe teo anatrehan'Andriamanitra mivantana. Angamba rehefa mivavaka no tiany lazaina amin'izany.
# Andro aman'alina
Eto dia ampiasaina ny fanitarana hanehoana hoe impiry i Paoly no mivavaka. DH: "Matetika."
# Mafy
"Tena mafy."
# Ahita ny endrikareo
Ny teny hoe "endrika" dia manondro ny olona iray manontolo. DH: "mitsidika anareo."