plt_tn/1th/01/08.md

1.1 KiB

Nanenoan'ny

Eto Paoly dia miresaka ny fijoroana vavolombelon'ny Kristiana avy amin'ireo mpino Tesaloniana toy ny hoe lakolosy izay maneno na zava-maneno izay notendrena.

Akaia

Izany dia distrika taloha tao amin'ny Gresy ankehitriny.

Fa izy ireo ihany ... Izy ireo dia milaza ... Izy ireo dia nitatitra

Paoly dia manondro ny fiangonana izay efa nisy teo amin'ny faritra manodidina, izay nandre ny momba ireo mpino Tesaloniana.

Izy ireo ihany

Eto ny hoe: "ihany" dia nampiasaina entina hanamafisana ireo olona izay nandre ny momba ireo mpino Tesaloniana.

Izay fandraisana azonay teo aminareo

Eto ny hoe: "fandraisana" dia manondro ny fandraisana mavitrika an'i Paoly sy ireo namany. DH: "tena nafana ny fandraisanareo anay."

Ny Zanany

Izany fiantsoana izany dia tena manan-danja ho an'i Jesosy izay mamaritra ny fifandraisany amin'Andriamanitra.

Izay natsangany

"Izay natsangan'Andriamanitra."

Tamin'ireo maty

Teo anivon'ireo rehetra izay maty. Izany fiteny izany dia mamaritra ireo olona maty rehetra tany amin'ny tontolo ambanin'ny tany.

Izay manafaka antsika

Eto Paoly dia mampiditra ireo mpino Tesaloniana.