plt_tn/1th/01/08.md

36 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Nanenoan'ny
Eto Paoly dia miresaka ny fijoroana vavolombelon'ny Kristiana avy amin'ireo mpino Tesaloniana toy ny hoe lakolosy izay maneno na zava-maneno izay notendrena.
# Akaia
Izany dia distrika taloha tao amin'ny Gresy ankehitriny.
# Fa izy ireo ihany ... Izy ireo dia milaza ... Izy ireo dia nitatitra
Paoly dia manondro ny fiangonana izay efa nisy teo amin'ny faritra manodidina, izay nandre ny momba ireo mpino Tesaloniana.
# Izy ireo ihany
Eto ny hoe: "ihany" dia nampiasaina entina hanamafisana ireo olona izay nandre ny momba ireo mpino Tesaloniana.
# Izay fandraisana azonay teo aminareo
Eto ny hoe: "fandraisana" dia manondro ny fandraisana mavitrika an'i Paoly sy ireo namany. DH: "tena nafana ny fandraisanareo anay."
# Ny Zanany
Izany fiantsoana izany dia tena manan-danja ho an'i Jesosy izay mamaritra ny fifandraisany amin'Andriamanitra.
# Izay natsangany
"Izay natsangan'Andriamanitra."
# Tamin'ireo maty
Teo anivon'ireo rehetra izay maty. Izany fiteny izany dia mamaritra ireo olona maty rehetra tany amin'ny tontolo ambanin'ny tany.
# Izay manafaka antsika
Eto Paoly dia mampiditra ireo mpino Tesaloniana.