plt_tn/1sa/25/27.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy mteny amin'i Davida mba tsy ho tezitra i Abigaila.

ity fanomezana

Ilay "fanomezana" amin'ny tena izy dia karazan-javatra maro.

ny mpanomponao ... ny tompoko ... ny tompoko ... ny fahadisoan'ny mpanomponao ... ny tompoko ... ny tompoko

Ataon'i Abigaila toy ny hoe olona roa samihafa ny tenany sy Davida mba hampisehoana fa manaja an'i Davida izy. DH: "izaho ... ianao ... ianao ... ny fahadisoako ... ianao ... ianao"

Ary aoka ity fanomezana ... hatolotra ho an'ireo zatovolahy

Maneho fanajana an'i Davida i Abigaila. Io dia azo adika hoe DH: "mba omeo an'ireo zatovolahy anie ity" na "aoka ny tompoko hanome ity ho an'ireo zatovolahy"

fa hanangana fonenana azo antoka ho an'ny tompoko tokoa i Yaveh

Eto ny "fonenana" dia fomba fiteny ilazana ny "taranaka." DH: "Hataon'i Yaveh azo antoka fa manana taranaka izay ho mpanjaka lalandava ny tompoko"

miady ny adin'i Yaveh

"miady amin'ny fahavalon'i Yaveh"

ny ratsy dia tsy ho hita eny aminao

Io dia azo adika hoe DH: "tsy hisy hahita anao hanao zavatra ratsy mihitsy" na "tsy hanao zava-dratsy mihitsy ianao"