plt_tn/1sa/24/19.md

1005 B

Fa raha misy lehilahy mahita ny fahavalony, dia handefa azy am-piadanana ve izy?

Ity dia fanontaniana fampisainana izay misy valiny tafiditra ao amin'ny fanontaniana. DH: "Fa raha hitan'ny olona ny fahavalony, dia tsy ho avelany andeha am-pilaminana izy."

Fa raha misy lehilahy mahita ny fahavalony, dia handefa azy am-piadanana ve izy?

Rehefa nino i Saoly fa fahavalony i Davida, dia fantany fa na dia ho mpanjaka aza i Davida, dia tsy haka ny fiandrianana amin'i Saoly an-keriny, fa hiandry ny fotoana voatendrin'i Yaveh.

ho apetraka eo am-pelatananao ny fanjakan'Israely

Ireo mety ho heviny dia 1) Hanambina ny fanjakan'Israely amin'ny alalan'ny heriny amin'ny maha-mpanjaka azy i Davida. DH: "hiroborobo ny fanjakan'Israely rehefa manapaka ny vahoaka Israelita ianao" na 2) Hataon'i Yaveh manana fahefana tanteraka eo amin'ny fanjakan'Israely i Davida. DH: "hanana fahefana feno eo amin'ny fanjakan'Israely ianao"

eo am-pelatananao

Ny teny hoe "tanana" dia ilazana ny hery na fahefana.