plt_tn/1sa/24/19.md

16 lines
1005 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fa raha misy lehilahy mahita ny fahavalony, dia handefa azy am-piadanana ve izy?
Ity dia fanontaniana fampisainana izay misy valiny tafiditra ao amin'ny fanontaniana. DH: "Fa raha hitan'ny olona ny fahavalony, dia tsy ho avelany andeha am-pilaminana izy."
# Fa raha misy lehilahy mahita ny fahavalony, dia handefa azy am-piadanana ve izy?
Rehefa nino i Saoly fa fahavalony i Davida, dia fantany fa na dia ho mpanjaka aza i Davida, dia tsy haka ny fiandrianana amin'i Saoly an-keriny, fa hiandry ny fotoana voatendrin'i Yaveh.
# ho apetraka eo am-pelatananao ny fanjakan'Israely
Ireo mety ho heviny dia 1) Hanambina ny fanjakan'Israely amin'ny alalan'ny heriny amin'ny maha-mpanjaka azy i Davida. DH: "hiroborobo ny fanjakan'Israely rehefa manapaka ny vahoaka Israelita ianao" na 2) Hataon'i Yaveh manana fahefana tanteraka eo amin'ny fanjakan'Israely i Davida. DH: "hanana fahefana feno eo amin'ny fanjakan'Israely ianao"
# eo am-pelatananao
Ny teny hoe "tanana" dia ilazana ny hery na fahefana.