plt_tn/1sa/24/14.md

970 B

Ho an'iza no nivoahan'ny mpanjakan'Israely? Iza no enjehinao?

Ity fanontaniana fampisainana ity dia azo adika ho fanambarana tsotra. Rehefa mametra ny fanontaniana i Davida, dia fantany fa izy ihany no hamaly ilay fanontaniana. DH: "Avelao aho hilaza aminao izay ivoahan'ny mpanjakan'Israely ho enjehina. Avelao aho hilaza aminao izay enjehinao."

Alika maty

Ny teny hoe "alika maty" dia sarinteny ilazana ny olona tsy manan-kery. Io fehezanteny io dia azo atao feno. DH: "Manenjika olona tsy manan-kery tahaka ny alika maty ianao"

Parasy

Ny teny hoe "parasy" dia sarinteny ilazana ny polona izay tsy raisin'ny hafa ho manan-danja. DH: "Manenjika olona tsy manan-danja tahaka ny parasy ianao"

hijery amin'izany, ary hisolo vava ahy

Ireo mety ho heviny dia 1) "hanao izay marina, ary hisolo vava ahy" na 2) "hahita fa marina ny adiko ary hiady ho ahy"

amin'ny tananao

Ny teny hoe "tanana" dia ilazana ny fahefana. DH: "mba tsy hanananao fahefana amiko"