# Ho an'iza no nivoahan'ny mpanjakan'Israely? Iza no enjehinao? Ity fanontaniana fampisainana ity dia azo adika ho fanambarana tsotra. Rehefa mametra ny fanontaniana i Davida, dia fantany fa izy ihany no hamaly ilay fanontaniana. DH: "Avelao aho hilaza aminao izay ivoahan'ny mpanjakan'Israely ho enjehina. Avelao aho hilaza aminao izay enjehinao." # Alika maty Ny teny hoe "alika maty" dia sarinteny ilazana ny olona tsy manan-kery. Io fehezanteny io dia azo atao feno. DH: "Manenjika olona tsy manan-kery tahaka ny alika maty ianao" # Parasy Ny teny hoe "parasy" dia sarinteny ilazana ny polona izay tsy raisin'ny hafa ho manan-danja. DH: "Manenjika olona tsy manan-danja tahaka ny parasy ianao" # hijery amin'izany, ary hisolo vava ahy Ireo mety ho heviny dia 1) "hanao izay marina, ary hisolo vava ahy" na 2) "hahita fa marina ny adiko ary hiady ho ahy" # amin'ny tananao Ny teny hoe "tanana" dia ilazana ny fahefana. DH: "mba tsy hanananao fahefana amiko"