plt_tn/1sa/24/10.md

16 lines
677 B
Markdown

# hitan'ny masonao
Eto ny hoe "masonao" dia manondro an'i Saoly mpanjaka. DH: "Hitanao tamin'ny masonao ihany"
# nametrahan'i Yaveh anao teo am-pelatanako
Ny teny hoe "tanana" dia ilazana ny fifehezana. DH: "nametraka anao teo amin'izay nahafahako namono anao na namelako anao ho velona"
# ry raiko
Tsy tena rain'i Davida i Saoly. Antsoin'i Davida hoe "raiko" izy mba hanehoana ny fanajany an'i Saoly.
# tsy misy ratsy na fivadihana
Toy ny hoe zavatra mivaingana izay afaka hazoniny eny an-tanany no firesak'i Davida momba ny ratsy sy ny fivadihana. Eto ny "tanana" dia ilazana ny olona manao zavatra iray. DH: "Tsy nanao fihetsika ratsy taminao aho, na nikomy taminao"