plt_tn/1sa/24/10.md

677 B

hitan'ny masonao

Eto ny hoe "masonao" dia manondro an'i Saoly mpanjaka. DH: "Hitanao tamin'ny masonao ihany"

nametrahan'i Yaveh anao teo am-pelatanako

Ny teny hoe "tanana" dia ilazana ny fifehezana. DH: "nametraka anao teo amin'izay nahafahako namono anao na namelako anao ho velona"

ry raiko

Tsy tena rain'i Davida i Saoly. Antsoin'i Davida hoe "raiko" izy mba hanehoana ny fanajany an'i Saoly.

tsy misy ratsy na fivadihana

Toy ny hoe zavatra mivaingana izay afaka hazoniny eny an-tanany no firesak'i Davida momba ny ratsy sy ny fivadihana. Eto ny "tanana" dia ilazana ny olona manao zavatra iray. DH: "Tsy nanao fihetsika ratsy taminao aho, na nikomy taminao"