plt_tn/1sa/20/14.md

1023 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mangataka amin'i Davida i Jonatana mba tsy hamono tanteraka ny taranany mba hisy sisa tavela.

moa tsy hampiseho ahy ny tsy fivadiham-paneken'i Yaveh ve ianao, mba tsy ho faty aho?

Mametraka io fanontaniana io i Jonatana mba hanamafisana fa hanao izany i Davida. Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "mba asehoy amiko re ny tsy fivadiham-paneken'i Yaveh, mba tsy ho faty aho"

hampiseho ahy ny tsy fivadiham-paneken'i Yaveh

"asehoy ahy ny tsy fivadiham-panekena izay asehon'i Yaveh"

ankohonan'i Davida

Ny teny hoe "ankohonana" dia fibangoan-teny ilazana ny olona izay mipetraka ao amin'ilay trano. DH: "ny fianakavian'i Davida"

Yaveh anie hitaky ny honitra eo amin'ny tanan'ireo fahavalon'i Davida

Ny tanana dia fibangoan-teny ilazana ilay olona. Ireo mety ho heviny dia 1) "Hampiasa ny fahavalon'i Davida anie Yaveh mba hanafay azy raha mivadi-panekena i Davida" na 2) "Ho ringanin'i Yaveh anie ny fahavalon'i Davida."