# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mangataka amin'i Davida i Jonatana mba tsy hamono tanteraka ny taranany mba hisy sisa tavela. # moa tsy hampiseho ahy ny tsy fivadiham-paneken'i Yaveh ve ianao, mba tsy ho faty aho? Mametraka io fanontaniana io i Jonatana mba hanamafisana fa hanao izany i Davida. Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "mba asehoy amiko re ny tsy fivadiham-paneken'i Yaveh, mba tsy ho faty aho" # hampiseho ahy ny tsy fivadiham-paneken'i Yaveh "asehoy ahy ny tsy fivadiham-panekena izay asehon'i Yaveh" # ankohonan'i Davida Ny teny hoe "ankohonana" dia fibangoan-teny ilazana ny olona izay mipetraka ao amin'ilay trano. DH: "ny fianakavian'i Davida" # Yaveh anie hitaky ny honitra eo amin'ny tanan'ireo fahavalon'i Davida Ny tanana dia fibangoan-teny ilazana ilay olona. Ireo mety ho heviny dia 1) "Hampiasa ny fahavalon'i Davida anie Yaveh mba hanafay azy raha mivadi-panekena i Davida" na 2) "Ho ringanin'i Yaveh anie ny fahavalon'i Davida."