plt_tn/1sa/20/08.md

24 lines
1.0 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Manohy miresaka amin'i Jonatana i Davida.
# amin'ny mpanomponao ... efa nitondra ny mpanomponao
Ataon'i Davida hoe "mpanomponao" ny tenany mba ho fanehoana fanetren-tena. DH: "amiko, mpanomponao ... efa nitondra ahy, mpanomponao" na "amiko ... efa nitondra ahy"
# efa nitondra ny mpanomponao ho amin'ny faneken'i Yaveh niaraka taminao ianao
Izay izay nifaneken'ireo lehilahy roa dia azo atao mazava tsara. DH: "Ren'i Yaveh ianao rehefa nanao fanekena manetriketrika tamiko fa ho mpinamana tsara foana izaho sy ianao"
# koa nahoana aho no entinao any amin'ny rainao?
Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "dia tsy misy antony tokony hitondranao ahy ho any amin'ny rainao"
# "Sanatria aminao anie izany!
Io dia fomba fiteny izay midika fa tsy hitranga aminao mihitsy izany. DH: "Tsy hitranga aminao mihitsy izany!"
# dia tsy hilaza aminao ve aho?
Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "Dia ho lazaiko aminao tokoa."