plt_tn/1sa/20/08.md

1.0 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy miresaka amin'i Jonatana i Davida.

amin'ny mpanomponao ... efa nitondra ny mpanomponao

Ataon'i Davida hoe "mpanomponao" ny tenany mba ho fanehoana fanetren-tena. DH: "amiko, mpanomponao ... efa nitondra ahy, mpanomponao" na "amiko ... efa nitondra ahy"

efa nitondra ny mpanomponao ho amin'ny faneken'i Yaveh niaraka taminao ianao

Izay izay nifaneken'ireo lehilahy roa dia azo atao mazava tsara. DH: "Ren'i Yaveh ianao rehefa nanao fanekena manetriketrika tamiko fa ho mpinamana tsara foana izaho sy ianao"

koa nahoana aho no entinao any amin'ny rainao?

Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "dia tsy misy antony tokony hitondranao ahy ho any amin'ny rainao"

"Sanatria aminao anie izany!

Io dia fomba fiteny izay midika fa tsy hitranga aminao mihitsy izany. DH: "Tsy hitranga aminao mihitsy izany!"

dia tsy hilaza aminao ve aho?

Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "Dia ho lazaiko aminao tokoa."