plt_tn/1sa/20/01.md

1.2 KiB

Fa inona no nataoko? Inona no heloko? Inona no fahotako teo anatrehan'ny rainao, no mitady hifofo ny aiko izy?

Mitovitovy hevitra ihany ireo fanontaniana telo ireo. Ampisain'i Davida ho fanamafisan-kevitra ireo ireo fa tsy nanao izay ratsy tamin'i Saoly izy. Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "Tsy nanao izay tsy mety aho. Tsy nanao fahotana aho. Tsy nanota tamin'ny rainao aho. Tsy misy antony tokony hifofoiny ny aiko."

mitady hifofo ny aiko izy?

Eto ny hoe "hifofo ny aiko" dia fomba fiteny ilazana ny hoe "hamono ahy."

Sanatria anie izany

Eto ny hoe "Sanatria anie izany" dia fomba fiteny ilazana fa tsy marina izany. DH: "tsy marina tokoa izany"

na lehibe na kely

Ao anatin'ny teny hoe "na lehibe na kely" izay rehetra eo antenantenan'izany. DH: "na inona na inona"

Nahoana no tokony hanafina izany zavatra izany amiko ny raiko?

Ampiasain'i Jonatana io fanontaniana io mba hanindriana fa niteny taminy i Saoly raha nikasa ny hamono an'i Davida. Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "Tsy misy antony tokony hanafenan'ny raiko izany amiko" na "Raha marina izany zavatra izany, dia ho nampahafantarin'ny raiko ahy tokoa"

Tsy izany velively

"tsy marina izany"