plt_tn/1sa/20/01.md

24 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fa inona no nataoko? Inona no heloko? Inona no fahotako teo anatrehan'ny rainao, no mitady hifofo ny aiko izy?
Mitovitovy hevitra ihany ireo fanontaniana telo ireo. Ampisain'i Davida ho fanamafisan-kevitra ireo ireo fa tsy nanao izay ratsy tamin'i Saoly izy. Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "Tsy nanao izay tsy mety aho. Tsy nanao fahotana aho. Tsy nanota tamin'ny rainao aho. Tsy misy antony tokony hifofoiny ny aiko."
# mitady hifofo ny aiko izy?
Eto ny hoe "hifofo ny aiko" dia fomba fiteny ilazana ny hoe "hamono ahy."
# Sanatria anie izany
Eto ny hoe "Sanatria anie izany" dia fomba fiteny ilazana fa tsy marina izany. DH: "tsy marina tokoa izany"
# na lehibe na kely
Ao anatin'ny teny hoe "na lehibe na kely" izay rehetra eo antenantenan'izany. DH: "na inona na inona"
# Nahoana no tokony hanafina izany zavatra izany amiko ny raiko?
Ampiasain'i Jonatana io fanontaniana io mba hanindriana fa niteny taminy i Saoly raha nikasa ny hamono an'i Davida. Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "Tsy misy antony tokony hanafenan'ny raiko izany amiko" na "Raha marina izany zavatra izany, dia ho nampahafantarin'ny raiko ahy tokoa"
# Tsy izany velively
"tsy marina izany"