plt_tn/1sa/17/28.md

1.3 KiB

nirehitra tamin'i Davida ny hatezeran'i Eliaba

Eto ny fahatezerana dia resahina toy ny hoe afo izay azo ampirehetina. DH: "Zary tezitra tamin'i Davida i Eliaba"

Nahoana ianao no midina ety?

Ampiasain'i Eliaba io fanontaniana io mba hampisehoana fa tezitra amin'ny fidinan'i Davida izy. Mety nisy hevitra ambadika izany fa tsy nanana antony tsara tokony hahatongavana i Davida. DH: "Tsy manana antony tsara tokony hankanesanao aty ianao"

Iza no namelànao an'ireo ondry vitsy any an-tany efitra?

Ampiasain'i Eliaba io fanontaniana io mba hanevatevana an'i Davida amin'ny fampisehoana ny asany ho toa tsy manan-danja sy amin'ny fiampangana azy ho tsy nikarakara ny ondrin-drainy. DH: "Miandry ondry vitsivitsy any an'efitra fotsiny no mba andraikitrao. Tsy vitanao akory izany andraikitra tsotra izany!"

ny avonavona sy ny sompatra ao anatin'ny fonao

Mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo ary ampiarahina ho fanamafisana.

Inona izao no nataoko? Moa tsy fanontaniana fotsiny ve izany?

Ampiasain'i Davida ireo fanontaniana ireo mba hanehoana ny fahakiviany sy hiarovany teny. DH: "Tsy nanao na inona na inona izay tsy mety aho. Nametraka fanontaniana fotsiny aho!"

Niala teo aminy ... izy

Ny hoe "izy" dia manondro an'i Davida ary ny teny hoe "aminy" dia manondro an'i Eliaba.