# nirehitra tamin'i Davida ny hatezeran'i Eliaba Eto ny fahatezerana dia resahina toy ny hoe afo izay azo ampirehetina. DH: "Zary tezitra tamin'i Davida i Eliaba" # Nahoana ianao no midina ety? Ampiasain'i Eliaba io fanontaniana io mba hampisehoana fa tezitra amin'ny fidinan'i Davida izy. Mety nisy hevitra ambadika izany fa tsy nanana antony tsara tokony hahatongavana i Davida. DH: "Tsy manana antony tsara tokony hankanesanao aty ianao" # Iza no namelànao an'ireo ondry vitsy any an-tany efitra? Ampiasain'i Eliaba io fanontaniana io mba hanevatevana an'i Davida amin'ny fampisehoana ny asany ho toa tsy manan-danja sy amin'ny fiampangana azy ho tsy nikarakara ny ondrin-drainy. DH: "Miandry ondry vitsivitsy any an'efitra fotsiny no mba andraikitrao. Tsy vitanao akory izany andraikitra tsotra izany!" # ny avonavona sy ny sompatra ao anatin'ny fonao Mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo ary ampiarahina ho fanamafisana. # Inona izao no nataoko? Moa tsy fanontaniana fotsiny ve izany? Ampiasain'i Davida ireo fanontaniana ireo mba hanehoana ny fahakiviany sy hiarovany teny. DH: "Tsy nanao na inona na inona izay tsy mety aho. Nametraka fanontaniana fotsiny aho!" # Niala teo aminy ... izy Ny hoe "izy" dia manondro an'i Davida ary ny teny hoe "aminy" dia manondro an'i Eliaba.