plt_tn/1sa/15/32.md

20 lines
1022 B
Markdown

# Dia nankany aminy i Agaga mifatotra amin'ny gadra-vy ary nanao hoe
"Nentin'izy ireo teo aminy i Agaga izay mbola nifatotra tamin'ny gadra-vy ary hoy Agaga hoe"
# Efa lasa tokoa ny fangidian'ny fahafatesana
Toa midika ity fomba fiteny ity fa tsy nihevitra ny ho faty intsony i Agaga. DH: "Tsy tandindonin'ny fahafatesana intsony tokoa aho"
# Araka ny nanaovan'ny sabatrao ireo vehivavy ho momba, dia ho momba toy izany koa ny reninao eo amin'ireo vehivavy
Samy mitovy hevitra ihany ireo andian-teny ireo ary mety noezahina hanana endrika kanto. DH: "Satria novonoinao ny olona, dia ho vonoina ihany koa ianao"
# nanaovan'ny sabatrao ireo vehivavy ho momba, dia ho momba toy izany koa ny reninao
Fomba mihaja ilazana ny famonoana olona io. DH: "namono ny zanaky ny vehivavy hafa, dia ho vonoiko toy izany ihany koa ny zanaky ny reninao"
# Dia nokapakapain'i Samoela ... i Agaga
I Samoela no nahatanteraka ity asa izay nandidian'i Yaveh hataon'i Saoly ity. DH: "Dia nokapakapain'i Samoela tamin'ny sabany i Agaga"