plt_tn/1sa/14/29.md

869 B

ny tany

Io dia fibangoan-teny ilazana ny firenen'Israely. DH: "ny Israely"

lasa nazava ny masoko

Io dia fomba fiteny izay midika fa niha-nahery izy.DH: "nahazo hery aho"

Mainka raha nihinana ... hitany androany ny olona?

Mampiasa ity fanontaniana petra-kevitra ity i Jonatana mba hilazana fa tokony ho navela nihinana ny olona. Azo atao fanambarana tsotra io. DH: "Ho tsara kokoa ny fandresentsika raha nihinana an-kalalahana tamin'izay voaroba nalain'izy ireo avy tamin'ny fahavalony ny olona androany."

voaroba

Io teny io dia manondro ireo zavatra izay nalain'ny olona avy tany an'ady tamin'ny fahavalony.

Satria tsy lehibe teo amin'ireo Filistina ny famonoana ankehitriny

Satria tsy afa-nihinana ny tarika nandritra ny ady, dia niha-nalemy izy ireo rehefa nandeha ny andro. Noho izany, dia tsy afaka namono betsaka tahaka ireo Filistina izy ireo.