plt_tn/1sa/12/03.md

999 B

Inty aho; mijoroa vavolombelona hanohitra ahy eo anatrehan'i Yaveh sy eo anatrehan'ilay voahosony

Amin'ity fanambarana ity dia manome fanamby ny olona mba hiteny mafy i Samoela raha nanao ratsy tamin'iza na iza. DH: "Mijoro eto anatrehanareo aho izao. Mangataka aminareo aho hiteny eo anatrehan'i Yaveh sy ny mpanjaka voahosony raha nanao izay tsy mety taminareo"

Ombin'iza no efa nalaiko? Ampondran'iza no efa nalaiko?

Mampiasa fanontaniana fampisainana i Samoela mba hampatsiahivana ny olona fa tsy mbola nangalatra ny bibin'izy ireo mihitsy izy. DH: "Tsy mbola nangalatra biby izay sarobidy tamin'olona mihitsy aho."

Iza no efa nambakaiko?

Mampiasa fanontaniana fampisainana iray hafa i Samoela mba hilazana fa marina hatrany izy. DH: "tsy mbola nisoloky na nandangolango olona aho."

Mijoroa vavolombelona hanohitra ahy, fa haveriko aminareo izany

"Raha nanao iray tamin'ireo zava-dratsy ireo aho, dia mitenena izao, ary haveriko izay trosako. Ho hatsaraiko izay tsy nety rehetra"