plt_tn/1pe/05/05.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

I Petera dia manome torolalana manokana ho an'ireo lehilahy tanora ary avy eo manohy ny fampianarany amin'ireo mpino rehetra.

Tahaka izany koa

Izany dia miverina milaza ny fomba nanekena ireo loholona ho lehiben'ny mpiandry ondry.

Ianareo rehetra

Izany dia milaza an'ireo mpino rehetra, fa tsy lehilahy tanora fotsiny

tafio fanetren-tena ny tenanareo

I Paoly dia miresaka momba ny fananana toetra tsara ny fanetren-tena tahaka ny fametrahana akanjo fitondra. DH: "manetre-tena eo amin'ny tsirairay" na "miasa amin'ny fanetren-tena"

ambanin'ny tana-maherin'Andriamanitra

Eto ny teny hoe "Tanana" dia milaza ny herin'Andriamanitra mba hamonjena ny manetri-tena ary manasazy ny mpirehareha. DH: "ambanin'ny herin'Andriamanitra lehibe" na "anatrehan'Andriamanitra, tonga saina fa manana hery lehibe izy"

Apetraho eo aminy ny fanahianareo rehetra

I Paoly dia miresaka momba ny fanahiana tahaka ny hoe zavatra mavesatra izay apetrakin'ny olona iray eo amin'Andriamanitra, fa tsy mitondra izany, DH: "minoa azy amin'izay rehetra mampahory anareo" na "aoka izy hikarakara ny zavatra rehetra izay manahirana anareo"