plt_tn/1pe/05/01.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

I Petera dia miresaka manokana an'ireo lehilahy izay loholona.

mpikambana ao amin'ny

"iray izay mizara ao amin'ny" na "iray mandray anjara amin'ny"

ny voninahitra izay efa haseho

Izany dia manambara ny momban'ny fiavian'i Kristy fanindroany. DH: "ny voninahitr'i Kristy izay hambaran'Andriamanitra"

andraso ny ondrin' Andriamanitra

I Petera dia miresaka ny momba ireo mpino toy ny andian'ondry sy ireo loholona toy ny mpiandry izay mikarakara azy ireo.

Araho maso izy ireny

"karakarao izy ireo"

Aza manjakazaka amin'ny olona...Fa kosa, aoka ho fitaratra

Ireo loholona dia tokony hitarika mba ho fitaratra sy tsy handray andraikitra eo amin'ny olona tahaka ny Tompo masiaka manoloana ireo mpanompony.

Ary rehefa miseho ilay Lohan'ny mpiandry ondry

I Petera dia miresaka momba an'i Jesosy tahaka ny hoe izy no mpiandry ondry izay manana ny fahefana eo amin'ireo mpiandry ondry rehetra. "Rehefa i Jesosy, ny lehiben'ny mpiandry ondry, miseho" na "rehefa manambara an'Andriamanitra i Jesosy, ilay lehiben'ny mpiandry ondry"

hahazo satro-boninahitra tsy mety simba ianareo

Eto ny teny hoe "satro-boninahitra" dia maneho ny valisoa. Ny teny hoe: "tsy mety simba" dia midika fa mandrakizay izany. DH: "ny loka be voninahitra izay maharitra mandrakizay"

Ny voninahitra

Be voninahitra