plt_tn/1pe/03/13.md

24 lines
928 B
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Manohy mampianatra ireo mpino ny amin'ny fomba hiainana ny fiainana Kristiana i Petera.
# Iza ilay iray izay hamely anareo raha maniry ny hanao ny tsara ianareo?
Mametraka io fanontaniana io i Petera mba hanindriana fa tsy hisy olona hamely azy ireo raha manao ny tsara izy ireo. DH: "tsy hisy hamely anareo raha manao zavatra tsara ianareo"
# mijaly nohon'ny fahamarinana
Azonao adika hoe DH: "mijaly satria manao ny mety ianareo"
# dia sambatra
Azo atao hoe DH: "hitahy anareo Andriamanitra"
# Aza matahotra izay hatahoran'izy ireo. Aza mangorohoro.
Ireo fehezanteny anankiroa ireo dia mitovitovy hevitra ary manindry fa ireo mpino dia tsy tokony hatahotra ireo izay manenjika azy ireo. DH: "Aza matahotra ny amin'izay mety ho ataon'ny olona aminareo"
# izay hatahoran'izy ireo
Eto ny teny hoe "izy ireo" dia manondro izay rehetra mikasa ny hamely ireo olona hanoratan'i Petera.