plt_tn/1pe/03/13.md

928 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy mampianatra ireo mpino ny amin'ny fomba hiainana ny fiainana Kristiana i Petera.

Iza ilay iray izay hamely anareo raha maniry ny hanao ny tsara ianareo?

Mametraka io fanontaniana io i Petera mba hanindriana fa tsy hisy olona hamely azy ireo raha manao ny tsara izy ireo. DH: "tsy hisy hamely anareo raha manao zavatra tsara ianareo"

mijaly nohon'ny fahamarinana

Azonao adika hoe DH: "mijaly satria manao ny mety ianareo"

dia sambatra

Azo atao hoe DH: "hitahy anareo Andriamanitra"

Aza matahotra izay hatahoran'izy ireo. Aza mangorohoro.

Ireo fehezanteny anankiroa ireo dia mitovitovy hevitra ary manindry fa ireo mpino dia tsy tokony hatahotra ireo izay manenjika azy ireo. DH: "Aza matahotra ny amin'izay mety ho ataon'ny olona aminareo"

izay hatahoran'izy ireo

Eto ny teny hoe "izy ireo" dia manondro izay rehetra mikasa ny hamely ireo olona hanoratan'i Petera.