plt_tn/1pe/02/01.md

1.5 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Petera dia manohy ny fampianarany momba ny fahamasinana sy ny fankatoavana

Noho izany ario ny ratsy rehetra, ny fahadisoam-panantenana rehetra, ny fihatsaram-belatsihy, ny faniriana, ary ny fanendrikendrehana rehetra

Ny fihetsika feno fahotana dia nohariny tamin'ny zavatra izay azon'olona arina. DH: "Noho izany, esory" na "Noho izany, atsaharo"

Tahaka ny zaza vao teraka, maniry ronono ara-panahy madio

oharin'i Petera amin'ny zazakely ny mpamaky. Ny zazakely dia mila sakafo madio, mora levonina. Tahaka izany ihany koa, ny mpino dia mila fampianarana madio avy amin'ny tenin'Andriamanitra. DH: "Tahaka ny fitiavan'ny zazakely ny rononon-dreniny, dia mila maniry mafy ny ronono ara-panahy ianao"

maniry

"maniry mafy" na "maniry mafy ny"

ronono ara-panahy madio

Petera dia miresaka momba ny tenin'Andriamanitra, toy ny hoe ronono ara-panahy izay mamelona zazakely.

mba hahafahanareo mitombo ao amin'ny famonjena

Eto ny teny hoe "famonjena" dia maneho hoe rahoviana Andriamanitra no hitondra ny famonjena ho an'ireo vahoakany amin'ny fahatanterahana rehefa miverina Jesosy. DH: "Ianareo dia mety hitombo ara-pinoana mandram-pamonjen'Andriamanitra anareo tanteraka"

mitombo

Petera dia miresaka ireo mpino izay efa mandroso amin'ny fahalalan'Andriamanitra sy fahatokisana Azy tahaka ny hoe zazakely mitombo izy ireo.

raha nahatsapa ianareo fa tsara fanahy ny Tompo

Ny hoe "nahatsapa" dia midika hoe manandrana zavatra manokana. DH: "Raha toa ianao ka efa nahatsapa ny hatsaram-panahin'ny Tompo manoloana azy ireo"