plt_tn/1pe/02/01.md

32 lines
1.5 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Petera dia manohy ny fampianarany momba ny fahamasinana sy ny fankatoavana
# Noho izany ario ny ratsy rehetra, ny fahadisoam-panantenana rehetra, ny fihatsaram-belatsihy, ny faniriana, ary ny fanendrikendrehana rehetra
Ny fihetsika feno fahotana dia nohariny tamin'ny zavatra izay azon'olona arina. DH: "Noho izany, esory" na "Noho izany, atsaharo"
# Tahaka ny zaza vao teraka, maniry ronono ara-panahy madio
oharin'i Petera amin'ny zazakely ny mpamaky. Ny zazakely dia mila sakafo madio, mora levonina. Tahaka izany ihany koa, ny mpino dia mila fampianarana madio avy amin'ny tenin'Andriamanitra. DH: "Tahaka ny fitiavan'ny zazakely ny rononon-dreniny, dia mila maniry mafy ny ronono ara-panahy ianao"
# maniry
"maniry mafy" na "maniry mafy ny"
# ronono ara-panahy madio
Petera dia miresaka momba ny tenin'Andriamanitra, toy ny hoe ronono ara-panahy izay mamelona zazakely.
# mba hahafahanareo mitombo ao amin'ny famonjena
Eto ny teny hoe "famonjena" dia maneho hoe rahoviana Andriamanitra no hitondra ny famonjena ho an'ireo vahoakany amin'ny fahatanterahana rehefa miverina Jesosy. DH: "Ianareo dia mety hitombo ara-pinoana mandram-pamonjen'Andriamanitra anareo tanteraka"
# mitombo
Petera dia miresaka ireo mpino izay efa mandroso amin'ny fahalalan'Andriamanitra sy fahatokisana Azy tahaka ny hoe zazakely mitombo izy ireo.
# raha nahatsapa ianareo fa tsara fanahy ny Tompo
Ny hoe "nahatsapa" dia midika hoe manandrana zavatra manokana. DH: "Raha toa ianao ka efa nahatsapa ny hatsaram-panahin'ny Tompo manoloana azy ireo"