plt_tn/1ki/10/23.md

948 B

ny tany iray manontolo

Io dia fanaovana amin'ny ankapobeny. DH: "Ny olona na avy aiza na avy aiza" na "Ny olona avy amin'ireo toerana samy hafa"

Nitady ny hifanatrika tamin'i Solomona

Ny fanatrehan'ny olona dia sarinteny hilazana ny fahafahana miteny sy mihaino ny olona. DH: "nitady mpihaino niaraka tamin'i Solomona" na "te hamangy an'i Solomona"

mba handre ny fahendreny, izay napetrak'Andriamanitra tao am-pony

Ny fo dia sarinteny hilazana izay heverin'ny olona ary resahina toy ny hoe fitoeran-javatra izany. Ny anarana hoe "fahendrena" dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka apetraka ao amin'ny fitoeran-javatra ary afaka adika ho tambinteny. Mety ho sarinteny hilazana ny olona ary ireo teny lazain'ny olona izany. DH: "mba hihaino ny fahendreny, izay nomen'Andriamanitra azy" na "mba handre hoe akory ny fahendrena nanaovan'Andriamanitra azy" na "mba handre azy hiteny ireo teny hendry izay navelan'Andriamanitra ho lazainy"