plt_tn/1jn/05/04.md

1.1 KiB

ny olona rehetra izay naterak'Andriamanitra

"ny zanak'Andriamanitra rehetra"

mandresy an'izao tontolo izao

"mandà hanao ny zavatra ratsy izay ataon'ireo tsy mpino"

Ary izany dia fandresena izay efa nandresy an'izao tontolo izao: ny finoantsika

"Ny finoantsika dia manome hery antsika mba hanohitra izay rehetra mety hitarika antsika hanota amin'Andriamanitra"

Iza ilay iray izay mandresy an'izao tontolo izao?

Jaona dia mampiasa io fanontaniana io mba hampidirana zavatra izay tiany ampianarina. DH: "Izaho dia hilaza aminao izay mandresy an'izao tontolo izao"

izao tontolo izao

Ity andalana ity dia mampiasa ny hoe: "izao tontolo izao" mba hanehoana ny olona mpanota rehetra sy ireo rafitra ratsy eto amin'izao tontolo izao. DH: "ny zava-drehetra izay manohitra an'Andriamanitra eto an-tany"

ilay iray izay mandresy an'izao tontolo izao? Ilay iray izay mino fa i Jesosy dia Zanak'Andriamanitra

Tsy maneho olona voafaritra izany eto fa izay rehetra mino. DH: "Izay rehetra mino fa Jesosy Kristy dia zanak'Andriamanitra."

Zanak'Andriamanitra

Fiantsoana manan-danja an'i Jesosy izay mamaritra ny fifandraisany amin'Andriamanitra izany.