# ny olona rehetra izay naterak'Andriamanitra "ny zanak'Andriamanitra rehetra" # mandresy an'izao tontolo izao "mandà hanao ny zavatra ratsy izay ataon'ireo tsy mpino" # Ary izany dia fandresena izay efa nandresy an'izao tontolo izao: ny finoantsika "Ny finoantsika dia manome hery antsika mba hanohitra izay rehetra mety hitarika antsika hanota amin'Andriamanitra" # Iza ilay iray izay mandresy an'izao tontolo izao? Jaona dia mampiasa io fanontaniana io mba hampidirana zavatra izay tiany ampianarina. DH: "Izaho dia hilaza aminao izay mandresy an'izao tontolo izao" # izao tontolo izao Ity andalana ity dia mampiasa ny hoe: "izao tontolo izao" mba hanehoana ny olona mpanota rehetra sy ireo rafitra ratsy eto amin'izao tontolo izao. DH: "ny zava-drehetra izay manohitra an'Andriamanitra eto an-tany" # ilay iray izay mandresy an'izao tontolo izao? Ilay iray izay mino fa i Jesosy dia Zanak'Andriamanitra Tsy maneho olona voafaritra izany eto fa izay rehetra mino. DH: "Izay rehetra mino fa Jesosy Kristy dia zanak'Andriamanitra." # Zanak'Andriamanitra Fiantsoana manan-danja an'i Jesosy izay mamaritra ny fifandraisany amin'Andriamanitra izany.