plt_tn/1jn/03/07.md

1.1 KiB

Ry zanaka malala

Jaona dia zokiolona ary mpitondra azy ireo. Izy dia mampiasa io fitenenana io mba hampiseho ny fitiavany azy ireo. DH: "Ry zanako malalako ao amin'i Kristy" na "Ianareo izay malala amiko toy ny zanako." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 2:1.

aza avela hisy olona hamitaka anareo

Ny hoe resy lahatra tamin'ny tsy fankatoavana an'i Kristy dia resahina toy ny hoe nisy voavily tamin'ny lala-marina izay tokony arahina. DH: "aza avela hisy hanadala anao" na "aza avela hisy hamitaka anao"

Ilay iray izay manao ny fahamarinana dia marina, tahaka ny mahamarina an'i Kristy

"Izay manao ny marina dia manao izay mahafaly an'Andriamanitra tahaka an'i Jesosy manao izay mahafaly an'Andriamanitra."

avy amin'ny devoly

"an'ny devoly" na "tahaka ny devoly"

hatrany am-piandohana

Izany dia maneho ny fotoana nahariana efa tany aloha be talohan'ny nanotan'ny olombelona voalohany. DH: "hatrany amin'ny fotoana talohan'ny fahariana"

ny Zanak'Andriamanitra dia naseho

Afaka atao hoe: DH: "Andriamanitra nampiseho ny Zanany"

Zanak'Andriamanitra

Izany dia fiantsoana manan-danja ho an'i Jesosy izay mamaritra ny fifandraisany amin'Andriamanitra.