plt_tn/1jn/02/01.md

36 lines
1.3 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Jaona dia manohy ny fanoratana momba ny finamanana sy mampiseho fa mety izany satria Jesosy dia eo anelanelan'ireo mpino sy ny Ray.
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Eto ny teny hoe: "isika" dia maneho an'i Jaona sy ireo mpino rehetra. Ny teny hoe: "azy" sy "-ny" dia mety ho maneho an'Andriamanitra ilay Ray na Jesosy.
# Anaka
Jaona dia zokiolona ary mpitondra azy ireo. Izy dia mampiasa io fitenenana io mba hampiseho ny fitiavany azy ireo. DH: "Ry zanako malalako ao amin'i Kristy" na "Ianareo izay malala amiko toy ny zanako"
# manoratra ireto zavatra ireto aho
"manoratra ity taratasy ity aho"
# Kanefa raha misy manota
"Raha misy olona manota." Izany dia zavatra izay mety hitranga.
# mpisolo vava isika miaraka amin'ny Ray
Ny teny hoe: "mpisolo vava" eto dia maneho an'i Jesosy. DH: "olona iray izay miteny amin'Andriamanitra ilay Ray sy mangataka Aminy mba hamela antsika"
# Izy no fanavotana an'ireo fahotantsika
"Nanao sorona ny fiainany manokana Izy ho antsika, ary satria Andriamanitra namela ny fahotantsika"
# Amin'izany no ahafantarantsika fa mahafantatra Azy isika: raha mitandrina ireo didiny isika
"Raha manao izay lazainy isika, dia afaka matoky fa manana fifandraisana tsara Aminy"
# mahafantatra Azy isika
"manana fifandraisana Aminy isika"