plt_tn/1jn/02/01.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Jaona dia manohy ny fanoratana momba ny finamanana sy mampiseho fa mety izany satria Jesosy dia eo anelanelan'ireo mpino sy ny Ray.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Eto ny teny hoe: "isika" dia maneho an'i Jaona sy ireo mpino rehetra. Ny teny hoe: "azy" sy "-ny" dia mety ho maneho an'Andriamanitra ilay Ray na Jesosy.

Anaka

Jaona dia zokiolona ary mpitondra azy ireo. Izy dia mampiasa io fitenenana io mba hampiseho ny fitiavany azy ireo. DH: "Ry zanako malalako ao amin'i Kristy" na "Ianareo izay malala amiko toy ny zanako"

manoratra ireto zavatra ireto aho

"manoratra ity taratasy ity aho"

Kanefa raha misy manota

"Raha misy olona manota." Izany dia zavatra izay mety hitranga.

mpisolo vava isika miaraka amin'ny Ray

Ny teny hoe: "mpisolo vava" eto dia maneho an'i Jesosy. DH: "olona iray izay miteny amin'Andriamanitra ilay Ray sy mangataka Aminy mba hamela antsika"

Izy no fanavotana an'ireo fahotantsika

"Nanao sorona ny fiainany manokana Izy ho antsika, ary satria Andriamanitra namela ny fahotantsika"

Amin'izany no ahafantarantsika fa mahafantatra Azy isika: raha mitandrina ireo didiny isika

"Raha manao izay lazainy isika, dia afaka matoky fa manana fifandraisana tsara Aminy"

mahafantatra Azy isika

"manana fifandraisana Aminy isika"