plt_tn/1jn/01/08.md

1.0 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Eto ny teny hoe: "Izy," "Azy," ary "-ny" dia maneho an'Andriamanitra. (Jereo ny 1:5)

tsy manam-pahotana

"tsy manota mihitsy"

dia mamitaka

"mandainga"

ny fahamarinana dia tsy ao amintsika

Ny fahamarinana dia resahina toy ny hoe zavatra izay ao anatin'ireo mpino. DH: "tsy mino izay marina isika"

amin'ny famelana ireo fahotantsika ary manadio antsika amin'ny tsy fahamarinana rehetra

Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy dika. Jaona dia mampiasa azy ireo mba ho fanamafisana fa Andriamanitra dia hamela tanteraka ny fahotantsika. DH: "ary hamela tanteraka antsika amin'izay diso nataontsika"

manao Azy ho mpandainga isika

manambara isika fa mpandainga Izy. DH: "mitovy amin'ny hoe miantso Azy ho mpandainga izany, satria Izy dia niteny fa isika rehetra dia nanota"

tsy ao amintsika ny teniny

Ny fankatoavana sy ny fanomezana voninahitra ny tenin'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe ao anatin'ny mpino ny teniny. DH: "izahay dia tsy mahafantatra ny tenin'Andriamanitra no sady tsy mankato izay lazainy"