plt_tn/psa/140/009.md

36 lines
1.0 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# mampitraka ny lohany
Ity dia famantarana ny maha mpirehareha. DH: "dia mirehareha"
# avelao ny sompatra eo amin'ny molony ihany no hanarona azy ireo
Izany dia vavaka mba hanaovan'Andriamanitra ny mpanao ratsy hijaly noho ireo fahoriana nataon'izy ireo tamin'ny alalan'ny zavatra izay nolazainy.
# ny sompatra eo amin'ny molony ihany
Ny fahoriana izay ny tenan'izy ireo mihitsy no nanao azy tamin'izay nolazainy.
# hanarona azy ireo
Izany hoe, mampitsahatra azy ireo amin'ny fampitondrana fahoriana.
# Aoka hisy vain'afo hilatsaka eo aminy; atsipazo ao anaty afo izy ireo
Ny kisarisary amin'ny afo dia midika famaizana mahery vaika ho an'ireo ratsy fanahy.
# lavaka tsy hita fiafarana
Izany dia mety ho fanondroana ny Fiainan-tsy hita, ny tontolon'ny maty.
# olona mahay vava
ireo izay miteny ratsy amin'ny hafa tsy amin'ny antony.
# handry fahalemana ambonin'ny tany
"azo antoka eto amin'ity fiainana ity"
# ny loza anie hihaza ny lehilahy maherisetra
Eto ny ratsy dia lazaina toy ny hoe olona iray mamalifaty amin'olona iray hafa.