plt_tn/mrk/13/09.md

28 lines
976 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Mitandrema ianareo
"Mivonona amin'izay mety ho ataon'ny olona aminareo"
# Ho atolotr'izy ireo amin'ny
Izany dia midika fisamborana olona iray ary fanolorana azy eo amin'ny fahefan'olon-kafa. DH: "hisambotra anao ary hanolotra anao amin'ny"
# ary ho kapohina
Afaka atao hoe: "hokapohin'ny olona"
# Hitsangana manoloana ianareo
Izany dia midika hoe atao fanadihadiana sy tsaraina. DH: "Ho hadihadiana aloha Ianao" na "Ho entina eo amin'ny fanadihadiana ary ho tsaraina"
# noho ny Amiko
"noho Izaho"
# ho vavolombelona amin'izy ireo
Izany dia midika fa hijoro vavolombelona momba an'i Jesosy izy ireo. DH: "ary hijoro vavolombelona momba Ahy amin'izy ireo" na "hiteny ny momba Ahy amin'izy ireo"
# Fa ny Filazantsara dia tsy maintsy ho toriana any amin'ny firenena rehetra aloha
Jesosy dia mbola miresaka momba ny zavatra izay tsy maintsy hiseho alohan'ny farany. DH: "Fa ny Filazantsara dia tsy maintsy ho toriana amin'ny firenena rehetra mialohan'ny fiafarana."