# Mitandrema ianareo "Mivonona amin'izay mety ho ataon'ny olona aminareo" # Ho atolotr'izy ireo amin'ny Izany dia midika fisamborana olona iray ary fanolorana azy eo amin'ny fahefan'olon-kafa. DH: "hisambotra anao ary hanolotra anao amin'ny" # ary ho kapohina Afaka atao hoe: "hokapohin'ny olona" # Hitsangana manoloana ianareo Izany dia midika hoe atao fanadihadiana sy tsaraina. DH: "Ho hadihadiana aloha Ianao" na "Ho entina eo amin'ny fanadihadiana ary ho tsaraina" # noho ny Amiko "noho Izaho" # ho vavolombelona amin'izy ireo Izany dia midika fa hijoro vavolombelona momba an'i Jesosy izy ireo. DH: "ary hijoro vavolombelona momba Ahy amin'izy ireo" na "hiteny ny momba Ahy amin'izy ireo" # Fa ny Filazantsara dia tsy maintsy ho toriana any amin'ny firenena rehetra aloha Jesosy dia mbola miresaka momba ny zavatra izay tsy maintsy hiseho alohan'ny farany. DH: "Fa ny Filazantsara dia tsy maintsy ho toriana amin'ny firenena rehetra mialohan'ny fiafarana."