plt_tn/mat/12/42.md

40 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Manohy mananatra ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo i Jesosy.
# Ny mpanjakavavin'ny atsimo
Ilazana ny mpanjakavavin'ny Sheba io. Sheba dia tany any atsimon'Israely.
# hitsangana miaraka amin'ireo olon'ity taranaka ity
"hitsangana amin'ny andron'ny fitsarana ary hiampanga ny olon'ity taranaka ity." Jereo ny nandikanao ny teny mitovy amin'io ao amin'ny 12:41.
# ity taranaka ity
Olona velona tamin'ny andro nitorian'i Jesosy no dikan'io.
# ary hanameloka izany
Andriamanitra no tena hanameloka ny taranaka velona tamin'ny andron'i Jesosy. DH: "ary hihaino ireo mponin'i Ninive Andriamanitra ary hanameloka ity taranaka ity." Jereo ny nandikanao ny teny mitovy amin'io ao amin'ny 12:41.
# Tonga avy any amin'ny faran'ny tany izy
Eto ny hoe "faran'ny tany" dia fomba fiteny izay midika hoe "tena lavitra be." DH: "Tonga avy any lavitra be izy"
# ary indro
"ary jereo." Manamafy izay ho lazain'i Jesosy manaraka io.
# misy olona lehibe
"olona manan-danja kokoa"
# olona
Milaza ny amin'ny tenany ihany i Jesosy.
# noho Solomona eto
Azonao ataonao mazava ny hevitry ny fanambaran'i Jesosy. DH: "noho i Solomona eto, kanefa mbola tsy nibebaka ihany ianareo, izany no antony hanamelohan'Andriamanitra anareo"