# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Manohy mananatra ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo i Jesosy. # Ny mpanjakavavin'ny atsimo Ilazana ny mpanjakavavin'ny Sheba io. Sheba dia tany any atsimon'Israely. # hitsangana miaraka amin'ireo olon'ity taranaka ity "hitsangana amin'ny andron'ny fitsarana ary hiampanga ny olon'ity taranaka ity." Jereo ny nandikanao ny teny mitovy amin'io ao amin'ny 12:41. # ity taranaka ity Olona velona tamin'ny andro nitorian'i Jesosy no dikan'io. # ary hanameloka izany Andriamanitra no tena hanameloka ny taranaka velona tamin'ny andron'i Jesosy. DH: "ary hihaino ireo mponin'i Ninive Andriamanitra ary hanameloka ity taranaka ity." Jereo ny nandikanao ny teny mitovy amin'io ao amin'ny 12:41. # Tonga avy any amin'ny faran'ny tany izy Eto ny hoe "faran'ny tany" dia fomba fiteny izay midika hoe "tena lavitra be." DH: "Tonga avy any lavitra be izy" # ary indro "ary jereo." Manamafy izay ho lazain'i Jesosy manaraka io. # misy olona lehibe "olona manan-danja kokoa" # olona Milaza ny amin'ny tenany ihany i Jesosy. # noho Solomona eto Azonao ataonao mazava ny hevitry ny fanambaran'i Jesosy. DH: "noho i Solomona eto, kanefa mbola tsy nibebaka ihany ianareo, izany no antony hanamelohan'Andriamanitra anareo"