plt_tn/job/38/12.md

40 lines
1.5 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampifandraisana ny Foto-kevitra:
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
# efa ...hiozongozona hiala eo aminy ny olona ratsy fanahy?
Io fanontaniana io dia mitaky valiny mandà. Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "tsy mbola ...hiozongozona hiala eo aminy ny olona ratsy fanahy."
# Hatramin'izay nanombohan'ny andronao
"hatramin'izay nahterahanao" na "hatramin'izay andro efa niainanao"
# nanome baiko ny maraina hiposaka ve ianao, ary nahatonga ny mangiran-dratsy hahalala ny toerany eo amin'ny filahatry ny zavatra rehetra
Ireo andalana roa ireo dia mitovy ara-kevitra.
# nanome baiko ny maraina hiposaka ve ianao, ary nahatonga ny mangiran-dratsy hahalala
Yaveh dia mamaritra ny fahafahan'ny maraina mandray baiko sy mahafantatra zavatra tahaka ny olona.
# nahatonga ny mangiran-dratsy hahalala ny toerany eo amin'ny filahatry ny zavatra rehetra
"nahatonga ny mangiran-dratsy hahalala izay misy azy"
# mangiran-dratsy
ny hazavana iza miseho amin'ny maraina mialohan'ny hiposahan'ny masoandro
# mba ...-ny
Ny teny "-ny" dia manondro ny mangiran-dratsy.
# hitazonany ireo zoron'ny tany
Ny fahazavan'ny mangiran-dratsy dia resahina toy ny hoe mipetraka eny amin'ny fara-vodi-lanitra. DH: "mitantana ny faran'ny tany"
# ka hiozongozona hiala eo aminy ny olona ratsy fanahy
Ny hazavana dia heverina ho manozongozona ny olona ratsy fanahy mba hiala toy ny fanozongozonana zavatra mba hialan'ny zavatra tsy ilaina. DH: "ka hanozongozona ny olona ratsy fanahy hiala amin'ny tany"