plt_tn/job/21/22.md

32 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra :
Manohy ny firesahany amin'ireo namany i Joba.
# Moa ve misy olona afaka mampianatra fahalalana an'Andriamanitra satria na dia ireo izay ambony aza dia Izy no mitsara?
Manontany io fanontaniana io i Joba mba hanamafisany fa mahalala ny zava-drehetra Andriamanitra. DH: "Mazava hoazy fa tsy misy afaka mampianatra na inona na inona an'Andriamanitra satria na dia ireo izay any an-danitra aza dia Izy no mitsara."
# ireo izay ambony
Ireo mety ho heviny dia 1) "ireo izay any an-danitra" (UDB) na 2)"ireo olona mahery."
# Ny olona iray dia maty ao anatin'ny heriny feno
Mampifanohitra ny olona izay maty ao anaty fahasalaman sy filaminana amin'ny olona izay maty ao anaty alahelo sy fanaintainana ao amin'ny 21:25 i Joba. Azonao atao mazava io. DH: "raha misy olona roa, dia mety ho faty ao amin'ny heriny feno ny iray"
# Feno ronono ny vatany
Ireo dia samy midika fa salama tsara ilay olona.
# Feno ronono ny vatany, ary ny tsokan'ny taolany dia mando sy salama tsara.
Ireo dia samy midika fa salama tsara ilay olona
# Feno ronono ny vatany
Ny teny hoe "ronono" dia midika ho "matavy." DH: "Tsara fahana izy" na "Feno sabora ny tenany"
# ny tsokan'ny taolany dia mando sy salama tsara
Io fomba fiteny io dia midika fa ny vatany dia tanora sy matanjaka.