plt_tn/job/16/11.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Atolotr'Andriamanitra eo amin'ny olona mpaniratsira aho, ary atsipiny eny an-tanan'ny olona ratsy fanahy
Ireo andalana roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. Ny fitambaran'ireo dia manamafy ny fihesem-pon'i Joba izay efa nofitahin'Andriamanitra.
# Atolotra
Io dia fomba fiteny. DH: "nametraka ahy ho eo ambany fahefan'ny "
# atsipiny eny an-tanan'ny
Eto, ny "tanan'olona" dia manondro ny "fifehezany." DH: "nanolotra ahy teo amin'ny fifehezana"
# dia nopotehiny
Miresaka ny fanintainany sy ny fahadisoam-panantenany ho toy zavatra potipotika i Joba. DH: "kanefa avy eo dia tsapako ho toy ny hoe namotika ahy Izy"
# nakapony ho potipotika
Miresaka ny fampanaintainana sy fahadisoam-panantenana nataon'Andriamanitra taminy toy ny hoe zavatra izay nalain'Andriamanitra ary nakapokapony ho potipotika i Joba. DH: "toy hoe nandray ahy tamin'ny vozoko Andriamanitra ary namotipotika ahy"
# nataony marika ho kendreny ihany koa aho
Joba dia miresaka ny tenany ho tarigetran'ny fanafihan'Andriamanitra toy ny hoe mametraka azy ho zava-kendrena hotifirina amin'ny tsipìka. DH: "toy ny hoe nametraka ahy ho zava-kinedry izy"