# Atolotr'Andriamanitra eo amin'ny olona mpaniratsira aho, ary atsipiny eny an-tanan'ny olona ratsy fanahy Ireo andalana roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. Ny fitambaran'ireo dia manamafy ny fihesem-pon'i Joba izay efa nofitahin'Andriamanitra. # Atolotra Io dia fomba fiteny. DH: "nametraka ahy ho eo ambany fahefan'ny " # atsipiny eny an-tanan'ny Eto, ny "tanan'olona" dia manondro ny "fifehezany." DH: "nanolotra ahy teo amin'ny fifehezana" # dia nopotehiny Miresaka ny fanintainany sy ny fahadisoam-panantenany ho toy zavatra potipotika i Joba. DH: "kanefa avy eo dia tsapako ho toy ny hoe namotika ahy Izy" # nakapony ho potipotika Miresaka ny fampanaintainana sy fahadisoam-panantenana nataon'Andriamanitra taminy toy ny hoe zavatra izay nalain'Andriamanitra ary nakapokapony ho potipotika i Joba. DH: "toy hoe nandray ahy tamin'ny vozoko Andriamanitra ary namotipotika ahy" # nataony marika ho kendreny ihany koa aho Joba dia miresaka ny tenany ho tarigetran'ny fanafihan'Andriamanitra toy ny hoe mametraka azy ho zava-kendrena hotifirina amin'ny tsipìka. DH: "toy ny hoe nametraka ahy ho zava-kinedry izy"