plt_tn/jer/02/14.md

36 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Moa andevo ve Israely? Teraka tao amin'ny tranon'ny tompony ve izy? Koa nahoana izy no lasa mpandroba?
DH: "Tsy nateraka ho andevo ianareo vahoakan'Israely; fa nobaboin'ireo fahavalonareo."
# nahoana izy no lasa mpandroba?
DH: "Nalaina an-keriny ve ny zavatra rehetra nanananao?"
# Nierona taminy ny liona tanora. Nitabataba fatratra izy ireo ka nanao ny taniny ho mahatsiravina. Rava ireo tanànany ka tsy nisy mponina.
DH: "Niherona tahaka ireo liona tanora ireo fahavalonao nanafika anao. Nopotehin'izy ireo ny taninao ary nodorany ny tanànanao mba hisy afaka hiaina eo amin'ireo."
# Niherona ... ireo liona tanora
Ny miherona dia feo mafy ataon'ny bibidia.
# mponina
Fiantso ireo olona izay miaina eo amin'ny toerana iray
# Memfisa sy Tapanesa
tanàna ao Egypta
# hanaratra ny karan-dohanao
Ireo Egyptiana dia manaratra ny lohan'ny andevon'izy ireo mba hanamarihana azy ireo hoe andevo.
# hanaratra ny karan-dohanao
Misy amin'ireo dikan-teny mderina mandika ny lahatsoratra Hebreo hoe "nandavaka ny karan-dohanao"
# Moa tsy nanao izany tamin'ny tenanao ve ianao rehefa nahafoy an'i Yaveh Andriamanitrao, raha mbola nitarika anao tamin'ny lalana Izy?
DH: "Ianareo no nahatonga izao tamin'ny tenanareo tamin'ny fahafoizana an'i Yaveh Aandriamanitrareo, raha nitarika anareo tamin'ny lalana iny Izy."