# Moa andevo ve Israely? Teraka tao amin'ny tranon'ny tompony ve izy? Koa nahoana izy no lasa mpandroba? DH: "Tsy nateraka ho andevo ianareo vahoakan'Israely; fa nobaboin'ireo fahavalonareo." # nahoana izy no lasa mpandroba? DH: "Nalaina an-keriny ve ny zavatra rehetra nanananao?" # Nierona taminy ny liona tanora. Nitabataba fatratra izy ireo ka nanao ny taniny ho mahatsiravina. Rava ireo tanànany ka tsy nisy mponina. DH: "Niherona tahaka ireo liona tanora ireo fahavalonao nanafika anao. Nopotehin'izy ireo ny taninao ary nodorany ny tanànanao mba hisy afaka hiaina eo amin'ireo." # Niherona ... ireo liona tanora Ny miherona dia feo mafy ataon'ny bibidia. # mponina Fiantso ireo olona izay miaina eo amin'ny toerana iray # Memfisa sy Tapanesa tanàna ao Egypta # hanaratra ny karan-dohanao Ireo Egyptiana dia manaratra ny lohan'ny andevon'izy ireo mba hanamarihana azy ireo hoe andevo. # hanaratra ny karan-dohanao Misy amin'ireo dikan-teny mderina mandika ny lahatsoratra Hebreo hoe "nandavaka ny karan-dohanao" # Moa tsy nanao izany tamin'ny tenanao ve ianao rehefa nahafoy an'i Yaveh Andriamanitrao, raha mbola nitarika anao tamin'ny lalana Izy? DH: "Ianareo no nahatonga izao tamin'ny tenanareo tamin'ny fahafoizana an'i Yaveh Aandriamanitrareo, raha nitarika anareo tamin'ny lalana iny Izy."