plt_tn/isa/54/09.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# ny tondra-dranon'i Noa
Io dia manondro ny safo-drano izay nataon'i Yaveh nandritra ny fotoan'i Noa.
# Na hianjera aza ireo tendrombohitra na koa hiozongozona aza ireo havoana, ny fitiavako tsy miova
Manoritsoritra ny fepetra misy petra-kevitra Yaveh mba hanazavana izay hitranga na dia ho tojo ireo fepetra ireo aza. DH: "Na dia hianjera aza ireo tendrombohitra ary hiozongozona ireo havoana, ny fitiavako tsy miova"
# hiozongozona aza ireo havoana
DH: "mety hiozongozona ireo havoana"
# ny fitiavako tsy miova kosa dia tsy hiodina aminareo
Yaveh mbola mitia ny vahoakany hatrany dia resahina toy ny hoe tsy hiala amin'ny vahoakany ny fitiavany. DH: "Tsy hitsahatra ny hitia anareo Aho"
# na ny fanekem-pihavanana ho voaozongozona
Yaveh tsy nanafoana ny fanekeny tamin'ny vahoakany dia resahina toy ny hoe zavatra izay azo ahozongozona ny fanekeny. DH: "ary tsy hamafa ny fanekem-pihavanana Aho" na "ary hanome fiadanana anareo araka izany nampanantenaiko tao amin'ny fanekeko tokoa Aho"
# hoy Yaveh, izay mamindra fo anareo
DH: "izany dia Izaho, Yaveh, izay mamindra fo, no milaza" (UDB)