plt_tn/isa/43/02.md

24 lines
969 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
# Rehefa mandeha mamakivaky ny rano ianareo...handrava anareo ny lelafo
Ny fandalovana fijaliana sy fotoan-tsarotra dia resahin'i Yaveh toy ny hoe rano lalina sy afo izay andehanan'ny olona izany. Ny teny hoe "rano" sy "afo" dia sarinteny ary manindry izay mety ho tranga sarotra.
# Rehefa mandeha mamakivaky ny rano ianareo, dia ho eo aminareo Aho; ary amin'ireo renirano, dia tsy hanafotra anareo ireny
Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry fa tsy hiaina zava-dratsy ny vahoaka satria momba azy ireo Yaveh.
# tsy ho may
DH: "tsy handoro anareo izany"
# Nomeko ho toy ny vidim-panavotanareo i Egypta, ary takalonareo i Etiopia sy Seba
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany ary manindry fa hamela ny fahavalon'ny Israely handresy ireo firenena fa tsy Israely Yaveh.
# Seba
Io dia anarana firenena.