# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh. # Rehefa mandeha mamakivaky ny rano ianareo...handrava anareo ny lelafo Ny fandalovana fijaliana sy fotoan-tsarotra dia resahin'i Yaveh toy ny hoe rano lalina sy afo izay andehanan'ny olona izany. Ny teny hoe "rano" sy "afo" dia sarinteny ary manindry izay mety ho tranga sarotra. # Rehefa mandeha mamakivaky ny rano ianareo, dia ho eo aminareo Aho; ary amin'ireo renirano, dia tsy hanafotra anareo ireny Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry fa tsy hiaina zava-dratsy ny vahoaka satria momba azy ireo Yaveh. # tsy ho may DH: "tsy handoro anareo izany" # Nomeko ho toy ny vidim-panavotanareo i Egypta, ary takalonareo i Etiopia sy Seba Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany ary manindry fa hamela ny fahavalon'ny Israely handresy ireo firenena fa tsy Israely Yaveh. # Seba Io dia anarana firenena.